SOMBIM-BAOVAO

Kianja Barea Mahamasina
Tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra ny alarobia lasa teo, fa hisy orinasam-panjakana hatsangana manokana hisahana ny fitantanana ny kianja Barea Mahamasina. «Société de patrimoine Kianja Barea SA» no hajoro, ka 75 % ny petra-bolan’ny fanjakana malagasy raha toa ka ny 25 % ny an’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), izay tompon’ny tany. Natao hikojakojana ny Kianja Barea amin’ny fomba manara-penitra sy hampaharitra azy ny tetikasa.

Lalaon’ny Nosy
Ho fiatrehana ny lalaon’ny Nosy JIOI 2023, andiany faha-11, izay atao eto amintsika ny 23 aogositra -3 septambra, ho raisin’ny fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany. Fanapahan-kevitra nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra. Nekena ihany koa, ny hanomezana alalana ny Komity Nasionaly mikarakara ny Lalao JIOI (COJI), mba ho afaka hanatanteraka dingana manokana mikasika ny tsenanasam-panjakana amin’ireo asa tsy maintsy hatao amin’ny fandraisana ity fifaninanana iraisam-pirenena ity.

6 voalohany mendrika i M’Madi
Miakatra hatrany ny lazan’i Mathias M’Madi, Malagasy mpilalao basikety. Tafiditra anatin’ireo mpilalao 6 mendrika indrindra, nandritra ny fiadiana ny amboara eran-tany, Fiba World Cup 2023 U19, natao tany Hongrie, izy, araka ny lisitra navoakan’ny FIBA. Nambaran’ity farany fa nanome ny tsara indrindra ary nampisongadina ny ekipa nasionaly misy azy avy ireo mpilalao 6 nosafidiana ireo.

Partager sur: