Nivaly ny fangatahana ary ho raikitra ny fifidianana ! Nambaran’ny eo anivon’ny Ceni, omaly, teny Alarobia fa hanohana antsika ny fianakaviambe iraisam-pirenena.
Nambaran’ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène fa hanampy antsika amin’ny fanatanterahana ny fifidianana ny mpiara-miombon’antoka eo amin’ny vola sy ny teknika (PTF). “Vonona hanome vola
2 tapitrisa Euros i Frantsa sy ny eo anivon’ny Vondrona eoropeanina (UE) ka samy hanome 1 tapitrisa Euros avy, izy ireo”, hoy izy. Hanampy amin’ilay tahiry fanohanana ny fifidianana “Basket Fund” koa ry zareo Alemà, tamin’ny alalan’ny ambasadaorony, saingy mbola miandry aoriana kely izany.
Fepetra anisan’ny takin’izy ireo ho takalon’izany kosa anefa ny hanendrena ireo ho mpikambana handrafitra ny Filankevitra ambony ho an’ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna sy ny fampanjakana ny demokrasia (HCDDED. Fepetra manaraka ahazoana ny fanampin’io vola io ny fahitan’izy ireo fa mizotra araka ny tokony ho izy ny fikarakarana ny fifidianana sy ny manodidina izany.
Nanafatrafatra ny Pnud
Nambaran’ny filohan’ny Ceni fa naminavina 143 miliara Ar izy ireo raha 70 miliara kosa no azon’ny fanjakana omena. “Mbola mandeha ny adihevitra amin’ny governemanta momba izany”, hoy izy. Notsiahiviny fa nisy tetibola
40 miliara Ar teo aloha, natokana ho an’ny fifidianana ka hivoaka izany aorian’ny didy fanaikana ny mpifidy. Efa nialohavan’ny fihaonan’ny solontena maharitry ny Pnud, i Issa Sanogo sy ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama, izany. Nanafatrafatra ireo avy amin’ ny Pnud fa tokony hajaina ny zo fototra. “Tsy tokony hisy fanilikilihana na koa fanakanana amin’ny fahalalahana maneho hevitra ary ny fahazoana mamory vahoaka an-kalalahana”, hoy izy ireo.
Synèse R.