Bakalorea 2023: Tsy mahasarika ny mpiadina ny sokajy C

Hotontosaina ny 17 jolay ka hatramin’ny 21 jolay ny fanadinana bakalorea ho an’ny fampianarana ankapobeny sy ny sampana teknika andiany voalohany. Hitohy ny 24 jolay ka hatramin’ny 27 jolay kosa ny andiany faharoa ho an’ny fampianarana teknika sy teknolojika.

«Nitombo 12,05% ny isan’ny mpiadina amin’ny fanadinam-panjakana bakalorea 2023 raha mitaha ny tamin’ny taon-dasa», hoy ny tale jeneralin’ny fampianarana ambony eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, profesora Rajaonarison Jean François, omaly, teny Fiadanana. 215 630 ny mpiadina manerana ny Nosy. 204 667 ny avy amin’ny fampianarana ankapobeny, 10 963 ho an’ny fampianarana teknika. Eto Antananarivo, manana mpiadina 80 8 61. Mahatratra 34 526 kosa ao Fianarantsoa. 31 783 ny ao Toamasina, 26 446 ho an’i Toliara, 24 704 ao Mahajanga ary 17 292 ny mpiadina ao Antsiranana. Tena nanaitra ny nahafantarana fa mpiadina 40 monja no nisafidy ny sokajy C ho an’ny faritanin’Antsiranana iray manontolo ary 49 ho an’ny faritanin’i Toliara. Tsy mahasarika ny tanora mihitsy ny sokajy C nefa ireo mivoaka avy amin’izany sokajy izany no tena ilain’ny fampandrosoana ny firenena, hoy ny mpampianatra taranja siantifika.
Maro anisa hatrany ny sokajy A2 mahatratra 127 846 raha 1840 ireo mpiadina hiatrika ny bakalorea amin’ny sokajy C manerana ny Nosy. 28 346 ny sokajy D, 14 022 ny sokajy L,13 151 ny sokajy S, 10 036 ny sokajy A1, 9426 ny sokajy OSE, 10 353 ny teknika arakasa ary 610 ny teknika teknolojia.

10 taona ny zandriny indrindra
Raha 68 taona ny mpiadina zokiny indrindra, 10 taona kosa ny zandriny indrindra. 410 ny foibem-panadinana handray ny mpiadina rehetra amin’ny faritany enina ary dimy ny foibe nampiana ho an’ity taona ity. Roa avy any Toliara sy Mahajanga ary tokana eto Antananarivo.
Momba ny fisolokiana samihafa mandeha amin’ny tambajotra sosialy sy ny haino aman-jery fa misy olona manana mialoha ny laza adina amin’ny bakalorea 2023, manamafy ny tomponandraikitry ny ady amin’ny kolikoly ao amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony fa efa mandeha ny fanadihadiana samihafa. “Miara-miasa amin’ny mpitandro filaminana ny minisitera amin’ny fiarovana ny fanomanana sy ny fizotry ny fanadinana bakalorea hatramin’ny famoahana ny vokatra”, hoy
ny kaomandin’ny vondrona, zandarimaria Analamanga, Ramilijaona Tojo. Tokony tsy ho voarebirebin’izany fisiana laza adina mivoaka mialoha izany ny mpiadina sy ny ray aman-dreny fa hiatrika am-pitoniana ny fanadinana.

Vonjy A.

Partager sur: