« Cinéma » malagasy : miha matihanina ny mpamokatra sarimihetsika

Tontosa, omaly, teny amin’ny Canal Olympia Andoha­ta­penaka, ny lanonana famoahana tamin’ny fomba ofisialy ny sa­rimihetsika « Lav’alina », no­vokarin’ny trano mpamokatra Manjaka Sary. Olo-manan-ka­ja sy matihanina eo amin’ny sa­rimihetsika no nanatrika izany lanonana izany. Ny rafi-tantarany sy ny kalitao teknikany no mampiavaka ity sarimihetsika ity ka nahavoafidy azy ho anisan’ny sarimihetsika nandeha teny amin’ny Canal Olympia.
Sarimihetsika voalohany novokarin’ny Manjaka Sary ny « Lav’alina ». Fahombiazana avy hatrany anefa no azon’ny mpamokatra satria, tafiditra ho anisan’ny sarimihetsika sangany izy. Manabe sy mampahalala ary mampahafantatra sy mampiseho ny zava-misy iainana ankehitriny ny « Lav’ alina ». “Niezaka niala tamin’ny rafi-tantara mahazatra izahay nanao ity sarimihe­tsika ity. Navoaka hatrany anefa ireo zava-misy, toy amin’ny kolikoly sy ny fiainan’ny tanora manoloana ny zava-mahadomelina, izay ilàna fanabeazana”, hoy i Fitatra Manaja, mpanatontosa ny “Lav’alina”.
Niezaka ity trano mpamokatra ity nikaroka sy nanome sehatra ny talenta sy mpilalao vaovao. Tanjona ny hitondra rivo-baovao manatsara ny sarimihetsika malagasy.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: