« Evasion danse II » : taninketsan’ny dihy i Madagasikara

Hifarana ny « Festival in­ternational de danse de création » nampitondraina ny anarana « Evasion danse » andiany faharoa. Tao anatin’ny herinandro, na ireo mpikarakara na ireo nandray anjara, indrindra fa ny mpanatrika, samy nilaza ny halehibeazan’ny hetsika tahaka itony. Tsika­ritry ny rehetra fa « taninketsan’ny dihy i Madagasika­ra ». Manana mpandihy tanora itoeran’ny talenta ny Ma­la­gasy. Mpandihy manaraka rindra sy lamina voafehy tsara ka afaka maneho izany amin’ny fomba kanto.
Manomboka hita taratra ihany koa ny fankafizan’ny Malagasy ny soradihy izay matetika manaraka lohahevitra iray. Hain’ireo mpandray anjara ny mampita ny hevi-dehibe sy manaingo izany amin’ny fihetsika kanto sy mahavariana, hany ka tafita ny hafatra. Raha itodihana ny zavakanto malagasy, tia mandihy ny Malagasy. Mahay man­dihy ny Malagasy. Ilaina ny hetsika tahaka itony ahafahana mampivelatra izany.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: