Fahasalaman’ny saina: napetraka ny vondrona teknika hiasa

Napetraka ny volana aogositra 2021 ny Vovonana marolafy misy ireo mpisehatra amin’ny fahasalaman’ny saina tao anatin’ny fiatrehana ny valanaretina Covid-19, izay niteraka voka- dra­tsy (fikorontanana, fahaketrahana sy fahakivian-tsaina tanteraka…) teo amin’ny sain’ny olona maro. Nanangana vondrona teknika ny Vovonana hanatanteraka ny drafitrasan’ny sampandraharaha misahana ny fahasalaman’ny saina eo anivono’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Mifanaraka amin’ny tolo-kevitry ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS) ny drafitrasa. Hamaritra ny laharam-pahamehana amin’ny asa ny vondrona teknika misy rafitra maromaro miainga eny ifotony. Tafiditra ao ny firaisa-monina sivily, ny ONG misehatra amin’ny tohana sosialy sy ara-tsaina, «psychologue» sy ny mpisehatra sosialy, ny mpitsabo ny aretina ankapobeny… Manampy ireo ny minisitera voakasika : ny Fana­beazana, ny Tanora sy ny Filaminam-bahoaka ary ny Mponina.

Vonjy A.

Partager sur: