Maniry any anaty ala ny holatra amin’ny ankapobeny. Manomboka mahazo vahana, ankehitriny, ny fambolena azy ireny any an-trano sy anaty toerana mihiboka. Mba hialana amin’ ireo karazana holatra tsy azo hanina sy mahafaty.
Vanim-potoana hitsirian’ ny holatra (champignon) any anaty ala ny mangatsiaka sy misy erika, anisan’ izany eto Madagasikara. Misy karazany roa izany: holatra fihinana sy tsy fihinana. Antony mahatonga ny olona iray tsy hanjifa na tsy hihinana ireny karazan-tsakafo ireny, ny tahotra hihinana holatra poizina, raha ny fanadihadiana natao. «Mila fandinihana manokana ny fahafantarana ny mampiavaka azy ireo satria misy endrika mitovy izany”, hoy ny tomponandraikitry ny famokarana holatra eny Sabotsy Namehana, Raharison Nantenaina Michelle. Nanokatra fambolena any an-trano izy ireo, mba hamahana ny olana sy hampirisihana ny Malagasy hanjifa izany.
Ahazahoana tombontsoa maro ny fambolena holatra any an-trano, raha ny fanazavana. Manasongadina sy manaja ny tontolo iainana amin’ny lafiny rehetra. Voalohany indrindra, manome vahana ny fanodinana fako (sachet, boaty isan-karazany…), ampiasaina hambolena ny holatra. Azo ampiasaina ihany koa ireo faikan-javatra avy amin’ny sakafo (tain-kafe, katsaka, apemba, faikam-pary, charbon, mololo …). Nilaza izy fa manome singa sy hery hitomboany ary mahavokatra ny voly haingana be ireny karazan-javatra ireny. Ankoatra izay, manome asa ho an’ny tanora. Manana ny orinasany manokana ireo misehatra amin’ny fambolena. Manome fahasalaman’ny vatana satria mihinana sakafo natoraly avy hatrany.
Fomba fambolena
Mandalo dingana maro ny fambolena azy mandra-pahatonga any amin’ny fiotazana ny vokatra. Voalohany, karakaraina ny mololo na ireo akora nosafidin’ny mpamboly ampiasaina. Tsy maintsy sidihina sy tapatapahana izany vao ampiasaina. Mba hahafahan’ ny holatra maniry sy mitsimoka tsara. Faharoa, fampidirana izany ao anaty sachet na boaty. Fahatelo, fandrahoana azy rehetra ao anaty “bain marie” eo ambony afo malefaka. Mba hamonoana ireo bibikely mety hamono sy hanelingelina ny voly. Fahefatra, fampidirana ny masomboly ao anaty mololo. Fahadimy, fikotrehana (incubation), izany hoe, atsofoka ao anaty efitrano mihiboka mandritra ny roa na telo herinandro eo. Mba hampahazo faka ny voly ao anatin’ny mololo. Tahirizina ao anaty maripana eo anelanelan’ny 15 sy 25 ° C mandritry ny fotoana hitsiriany. Fahenina, afindra any an-toeran-kafa misy tara-pahazavana kely izany rehefa feno fotsifotsy ny sachet. Vahana ny sachet ary andrasana eo amin’ ny fito andro eo mba hitsirian’ ny vokatra. Afaka mioty avy hatrany ny mpamboly avy eo.
Mitondra hery sy otrikaina
Anisan’ny sakafo feno sy mitondra hery ary otrikaina ho an’ny vatan’olombelona ny fihinanana holatra. Ahitana “protéine végétale” maro ahafahan’ny olona mitombo ny fihinanana izany. Mitondra 21 kaloria ny 100 g amin’ny holatra. 2,4 g ny proteina, 0,2 g ny lipida. 1,7 g ny «fibres alimentaires» isaky ny singany iray. 7,7 mg ny calcium, 341 mg ny potasioma… Tsy mahasolo hena izy amin’ny ankapobeny satria ambany ny tahan’ny proteina ao aminy. “Azon’ireo “ végétarien” sy “végétalien” hohanina tsara anefa izany”, hoy ny mpitantana ny orinasa Soafungus, Raharison Diary Claudia.
Lalam-barotra
Mahatratra 10 801 950 t isan-taona ny vokatra holatra maneran-tany. Anisan’ny firenena goavana, ahitana vokatra betsaka indrindra ny any Chine, manodidina ny 7 797 929 t isan-taona izany. Ho an’i Madagasikara, niha nahazo vahana sy niroborobo izany tao anatin’ny roa taona ary mamparisika Malagasy maro, raha ny fanazavana. Nitombo ihany koa ny tahan’ny Malagasy mpanjifa. Mbola malalaka ary azo ivelomana tsara io sehatra iray eto amintsika io, raha ny fanazavana. Nilaza izy fa ireo trano fisakafoana isan-karazany (asiatique…) eto an-toerana amin’ny ankapobeny no tena mpanjifa ny vokatra.
Mino (mpianatra asa)