Nihazo ny tany Marovoay ny mpanorina ny Tim, Ravalomanana Marc, omaly. Nambarany tamin’izany fa ny any an-toerana no nanazavany voalohany ny vinany, amin’ny alalan’ny Map Plus. “Anisan’ny sompitr’i Madagasikara ny aty Marovoay ka asa maika voalohany ny vahaolana momba ny sakafo”, hoy izy tamin’ireo vahoaka any an-toerana.
Niatrika ny fanombohan’ny fitampoha tany Manongarivo, any Mahajanga, tamin’ity herinandro ity, ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny. Nambarany fa tsy afa-misaraka amin’ny kolontsaina maha Malagasy ny fiainam-pirenena sy ny fanarenana an’i Madagasikara. Nahazo ny tsodranon’ny mpanjakaben’i Boeny, ny Printsy Guy, ny tenany tamin’izany.
“Tanora tompon’ny ankehitriny, manorina ny hoavy lavitry ny kolikoly” no lohahevitry ny fankalazana ny Andron’ny tambajotran’ny tanora mandala ny fahitsiana sy ny fahamarinana, natao teny amin’ny kianja Barea Mahamasina, omaly. Teo koa ireo sekoly sy fikambanana isan-karazany… Nisy ny velakevitra narahina adihevitra, fampirantiana, fanentanana…
Tsy tokony hisy adihevitra ny amin’ny fizakana zom-pirenena, raha ny fijerin’ny filohan’ny antoko Vonona hijoro ho an’ny tanindrazana (VHT). Ny lalàna no tokony hampiharina na amin’iza na iza. Miteraka olana eto amin’ny firenena ny fitongilanana amin’ny fampiharan-dalàna. Misy antony ao matoa misy ny tolo-dalàna momba ny fizakana zom-pirenena, araka ny nambaran’ny filohan’ny Antenimierampirenena.