Feno 5 taona ny fandaharana : manabe sady mampihomehy ny “Eo ara oe”

Sady manala sorisory no handraisana hafatra. Anisan’ireo fandaharana be mpiandry isan’andro ny “Eo ara hoe”.

Mifono fanabeazana. Feno 5 taona amin’ity taona ity ny nisian’ny fandaharana “Eo ara oe”, ao amin’ny fahitalavitra TV Plus. Ni­haona tamin’ny mpanao gazety ireo tomponandraikitra sy mpilalao, omaly, tetsy Andra­haro. Nampahafanta­rin’ izy ireo nandritra izany fa ho­ma­rihina izay faha-5 taona izay.
“Hotontosaina ny 15 aogositra ny hetsika, izay haka endrika fitsangantsanganana lehibe. Efa nangatahan’ireo mpanaraka ny “Eo ara oe” io fihaonana mivantana io ka dia hotanterahina”, hoy Randria­ma­nalimanana Haja, talen’ny Radio Plus 100.2 FM, antsoina hoe Dah Less Swatzene­ger izay sady mpilalao fototra ihany koa. “Eny anivon’ny fiarahamonina ihany izahay no mitady ireny lohahevitra ireny, ka tena ilaina ny fiarahana toa ity mba entina hanatsarana ny fandaharana koa”, hoy kosa Rakotomanalina Harifidy, fantatry ny maro amin’ny hoe Gerald le Danger.
Raha toa ka nifandimby nilalao ireo mpiasan’ny TV Plus tany am-boalohany, efatra mianadahy kosa izy ireo no mpilalao fototra amin’izao fotoana izao. Manampy azy mirahalahy ireo Rakotoarima­nana Prisca na i Poussie Raso­herina sy i Solofonirina Jean de Dieu na i Barabasy Sang Young.
Raha tsiahivina, ny 7 mey 2018 no nanomboka ny fandaharana “Eo ara oe”; Maka endrika sarimihetsika fohy, mampita hafatra mahakasika ny fahaiza-miaina, ny fiarahamonina, ny fifanampiana, ny fahalalam-pomba, sns, ny fandaharana. Amin’ny endrika somary mampihomehy no ha­naovana izany, mba hahatafita tsara ny hafatra.

Zo ny Aina

Partager sur: