«Festival de l’agriculture et écologie»: hitadiavana lalam-barotra ny tantsaha

Tanterahina, eny Ivato, nanomboka omaly ary haharitra telo andro, ny « Festival de l’agriculture et écologie » andiany faha-2, karakarain’ny Ecovillage Madagascar.

Sehatra entina hampiroboroboana ny fambolena sy ny fiompiana eto Ana­lamanga ity hatao eny Ivato ity. Tanjona ny hitadiavana lalam-barotra ho an’ny vokatry ny tantsaha. Fihaonan’ireo orinasa madinika sy salantsalany amin’ireo tantsaha ihany koa. Eo ireo mpanodina ny akora fototra ho vokatra azo jifaina avy hatrany. Eo koa ireo orinasa mpandray avy hatrany ireo vokatra sy mivarotra izany.
Sakafo ara-pahasalamana tsy misy akora simika no avoitra sy voizina ao anatin’ny «Festival de l’agriculture et écologie». «Hery ho an’ny tantsaha ny fanotronan’ny tomponandraikitra ambony ny ezaka ataon’ny tantsaha», hoy ny governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery, nitondra fandrisihana ho an’ny tantsaha teny an-toerana. Noraisin’ny faritra Analamanga an-tanana avokoa ny hofan’ny tranohevan’ireo mpandray anjara 25 izay manatanteraka ny hetsika.
Zava-dehibe ny fahavitan-tena ara-tsakafo hahafahana manana ambim-bava. Ny zezika sy ny masomboly no tena manahirana ny tantsaha ary izany no ilany tohana. Ny lalana ihany koa dia zava-dehibe amin’ny famoahana vokatra.
Hatomboka rahateo izao ny lalana mampitohy an’An­dramasina, hahafahana mamoaka ny vokatra. Eo koa ny fanaovana barazy hanamora ny fanondrahana ny tanimboly.
Firenena manana ambim-bava sy mamokatra betsaka no tena tafavoaka ary tsy hiantehitra ara-tsakafo amin’ny hafa, hoy hatrany ny governoran’ny faritra Analamanga.

Tatiana A

Partager sur: