Fianakaviana voaroba : ampangain’ny taim-bala ny mpitandro filaminana

Voaroba ny fianakaviana iray, omaly misasakalina. Nirefodrefotra ny basy. Fantatra tamin’ny laharan’ny taim-bala fa fitaovam-piadian’ny mpitandro filaminana no nampiasaina.

Nitrangana fanafihana mitam-piadiana mahery vaika tao Ambanimaso, fokontany Soavina, kaominina ambanivohitr’Ilaka Centre, dis­trikan’Ambositra, omaly misasakalina. Niditra an-keriny tao amina tokantrano iray ny jiolahy miisa valo, nirongo fitaovam-piadiana. Nandraho­na sady nanambana basy ny olona tao an-trano izy ireo. Nanakorontana ny entana rehetra tao an-trano ny ampahany tamin’ny mpanafika. Naka izay azo nobataina ny sasany. Ny hafa nandrahona sy niambina ny manodidina.
Lasan’ny jiolahy ny bodofotsy roa sy lelavola 500 000 Ar, ary niampy finday iray. Tsy afa-nanoatra rahateo ny lasibatra noho ny vava-basy niandry azy ireo. Nampihorohoro fatratra rahateo izy ireo. Rehefa azo izay nilaina, lasa ny jiolahy, izay nanapoaka ny basy teny an-tanany. Tanjon’ izy ireo ny tsy hahafahan’ny tompon-trano miantso vonjy sy manara-dia, andaniny. Tsy hamonjen’ny mpiray tanàna ireto fianakaviana voatafika, sy tsy hanaovan’ny fokonolona fanarahan-dia ankilany.
Marihina fa tsy nisy ny aina nafoy na naratra nandritra ny fanafihana, araka ny fampitam-baovaon’ny zandarimariam-pirenena. Ankoatra ny entana very, nisy fahitalavitra iray vaky nandritra ny fifanjevoana tao an-trano. Manao ny famotorana ny zandary izay efa nanao savahao ny manodidina, omaly alina. Tamin’izany no nahitana taim-bala miisa efatra, misy laharana mazava tsara. Nilaza ny loharanom-baovao fa bala fampiasan’ny mpitandro filaminana izany. Tsy namaritra izy ireo na polisy, na zandary, na Tafika no tompon’ny bala.

Jean Claude

Partager sur: