Iscam Business School: tanora 569 nahazo Licence sy Master

Tanora 569 ao amin’ny ivontoeram-pampianarana ambony tsy miankina Iscam no notolorana ny diplaoma manamarika ny nahazoany ny mari-pahaizana Licence sy Master tamin’ity herinandro ity, teny amin’ny CCI Ivato. “Iriavo”, maniry ny tena lafatra, no nosafidian’izy ireo ho anarana hisalorana satria hitondra ny fahaiza-manaony ho an’ny tontolon’ny asa eto amintsika izy ireo, hoy ny fanazavana azo. Andiany faha-32 ireo vao nivoaka ireo ka Raveloson Andry, tanora mpandraharaha no ray mpiahy; mpiara-miasa tao anatin’ny hetsika famoahana ny andiany faha-32 ny Vondrona Andriantsitohaina.
Nanomboka ny taona 1990 no nanofana tanora ny sekoly mivoy ny fanovana sy ny fanetren-tena ary ny firotsahana an-tsehatra amin’ny fianarana sy ny asa rehefa avy eo. Tontolon’ny varotra sy ny fitantanana ary ny fandraharahana no lalam-piofanana atolotry ny sekoly ny tanora manana ny mari-pahaizana bakalorea. Mianatra telo ka hatramin’ny dimy taona arakaraka ny safidin’ny tsirairay sy ny mari-pahaizana kendreny.

Vonjy

Partager sur: