Hiady ny amboaraben’ny “Orange Pro League” (OPL), taranja baolina kitra, ny Fosa Junior Boeny sy ny AS Fanalamanga Alaotra Mangoro. Lalao hotanterahina rahampitso, amin’ny 2 ora tolakandro, etsy Mahamasina. Marihina fa lelavola 15 tapitrisa Ariary no homena ny mpandresy amin’
izany. Ho fantatra amin’io fotoana io, ny solontena Malagasy amin’ny fifaninanana afrikanina C1.
Araka ny fanazavana nataon-dRakotoarimanana Henintsoa, filohan’ny CFEM, hotolorana vola avokoa ireo ekipa 16 nandray anjara tamin’ity fifaninanana ity.
Klioba roa mifankazatra tsara tao amin’ny vondrona avaratra ny Fosa sy ny Fanalamanga. Mbola manala vela amin’ny mpilalaon’i Boeny ny ekipa avy any Atsinanana.
Tsiahivina fa efa lavon’ny Fosa, tamin’ny isa 1 no ho 0, ny As Fanalamanga, nandritra ny andro voalohan’ny OPL. Nitovy tamin’io ihany ny vokatra teo amin’ny andro fahavalo, resy ny AS Fanalamanga. Araka ny vaovao voaray, anio no hanao fanazarantena ao Mahamasina ny ekipan’ny AS Fanalamanga.
Tsara ny mampahafantatra fa mialohan’ity fihaonana lehibe ity, hisy lalao ara-pirahalahiana izay hifanandrinan’ny mpitantana eo anivon’ny OPL sy ny ekipan’ny ben’ny Tanàna eto amin’ny faritra Analamanga. Marihina fa iantohan’ny fanjakana ny fandehanan’ireo solontena malagasy amin’ny fifaninanana afrikanina C1 sy C2.
Fitia (Mpianatra asa)