Nisy filankevitry ny minisitra manokana miompana amin’ny fanamboaran-dalana, natao omaly 7 jolay. Anisan’ny nisongadina ny hanamboarana tetezana lava indrindra eto Madagasikara eo ambonin’ny reniranon’i Mangoky. Hanao ny asa ny orinasa CRBC. Efa madiva hifarana ary hotokanana tsy ho ela ny lalam-pirenena fahasivy (RN 9), mampitohy ny faritra Atsimo Andrefana sy Menabe.
Ankoatra izay, hamboarina ny ampahany amin’ny RN 2, RN 6, RN 7, RN 11, RN 14 ary ny eto an-dRenivohitra. Miisa 11 ny ampahan-dalana harenina eto Antananarivo. Horaisin’ny fanjakana an-tanana ny famatsiam-bola ny asa.
Njaka A.
Ireo ampahan-dalana hatao : RN2 : tampon-tanànan’i Moramanga ; RN 4 : PK 403 –PK 460,100 ; RN 6 : PK 32-PK 409,100 ; RN 7 : PK 258 (Ambositra) – PK 311,100 (Ambodiala) ; RN 11 : tena ratsy Mananjary-Nosy Varika ; RN 14 : tena ratsy PK 17-PK 92 Ifanadiana- Ikongo