Mizaka ny vokatry ny tsy fahazoana rano fisotra madio sy ny fisitrahana rano eo anivon’ny tokantranony ny vehivavy sy ny ankizivavy, araka ny tatitry ny fanadihadiana navoakan’ny Unicef sy ny OMS, mikasika ny zava-misy, nanomboka ny taona 2000 ka hatramin’ny 2020. Tsy afaka mandeha any an-dakilasy ny ankizivavy fa lasa mantsaka amin’ny toerana lavitra. Mety hitera-doza ho azy noho ny tsy fandriampahalemana miseho izany, hoy ny tomponandraikitry ny rano sy ny fahadiovana ary fidiovana ao
amin’ny Unicef, Cecilia Sharp.
Maneran-tany, 1,8 miliara ny olona tsy manana rano ao an-tokantranony ka ny ankizivavy 15 taona no ho miakatra no mandeha mantsaka.
Eto Madagasikara, 41%-n’ny mponina mahazo rano eny amin’ny paompy iraisana na vovo ary olona efatra
amin’ny dimy misotro rano maloto. Olona efatra amin’ny dimy ihany koa tsy misitraka toeram-pidiovana manaraka ny fenitra ary olona roa mbola mangery ankalamanjana. Noho ny tsy fisian’ny toeram-pidiovana sy rano, tsy afaka nianatra na namonjy hetsika sosialy sy ara-toekarena ny vehivavy iray amin’ny 10, nandritra ny fahatongavan’ny fadimbolana.
Vokatr’ireo zava-misy ireo, isan-taona, olona 1,4 tapitrisa no maty. Mety hahazo aretina samihafa ny vehivavy no iharan’ny herisetra koa satria lavitra ny toerana fantsakana.
Mila tohizana ny ezaka ary jerena manokana ny paikady ahazoan’ny vehivavy misitraka rano sy fidiovana.
Vonjy A.