Hisehatra indray, anio, ny Tropy Jeannette. Mbola ilay tantara “HM” ihany no hasehon’izy ireo etsy amin’ny Tranompokonolona Analakely, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Piesy klasika nosoratan-dRakoto de Mon Plaisir, ravahan’ny hiran’Andrianary Ratianarivo izy ity. Seho natao ho an’ireo mpianatra, izay hiangaviana hitondra ny karatra famantarana.
Hifidy ny filohany ny Zanadranavalona. Hotontosaina rahampitso alahady io, etsy amin’ny Lycée Rabearivelo, manomboka amin’ny 8 ora maraina. Mbola azo raisina amin’io andro io ny taratasy filatsahan-kofidiana ho an’izay tsy mbola namerina. Mbola raisina ihany koa izay maniry hilatsaka, ka mahafeno ny fepetra. Ireo mpikambana mahafeno fepetra ihany koa no ho mpifidy.
“Feno 60 taona ny mozikako”, hoy i Fanja Andriamanantena. Homarihiny an-tsehatra, etsy amin’ny CCEsca Antanimena izany, rahampitso alahady 9 jolay tolakandro. Mpanakanto am-polony no hifarimbona hanome ny kanto indrindra sy hanome voninahitra ihany koa an’i Fanja Andriamanantena. Holalovana an-kira izay 60 taona izay, ho fifalian’ireo mpankafy azy.