Toetry ny andro: hahery ny onja ao Morondava

Noho ny fikorontanan’ny toetry ny andro an-dranomasina any amin’ny morontsiraka afovoany andrefana, atsimo andrefana, atsimo ary ny morontsiraka avaratra atsinanan’ny Nosy dia misy ny filazana fampitandremana nataon’ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby.
Filazana fampitandremana miloko mena, eo anelanelan’i Morondava sy Taolagnaro. Filazana fampitandremana miloko mavo ho an’ny morontsirak’i Melaky sy ny morontsiraka manomboka eo amin’ny Tanjona Bobaomby hatrany amin’ny Tanjona Angotsy.
Entanina ny rehetra mba hanaraka ny toromarika omen’ny manampahefana isan-tokony.
Hahery ny ranomasina ary hahatratra 3 ka hatramin’ny 4 m ny haavon’ny onja amin’ny morontsiraka afovoany andrefana, atsimo andrefana ary atsimo hatry ny omaly. Hitohy hatramin’ny alahady izany ho an’ny morontsiraka avaratra atsinanana.
Noho ny fisian’ny alondrano antonony avy atsimo andrefana na atsimo atsinanana no mahatonga ny hamafin’ny rivotra miteraka ny hery vaikan’ny onjan-dranomasina.
Mila fahamailoana, araka izany, ny fandehanana eny an-dranomasina ho an’ireo mpitatitra sy mpanjono. Ahina ny mety ho faharendrehana raha tsy mitandrina fatratra.
Matanjaka ihany koa ny Varatraza any amin’ny tapany avaratry ny Nosy, manoran-dava ny any an-toerana hatrany amin’ny faritra atsinanana hatry ny alakamisy teo.
Mikasika ny maripana, hitohy ny hatsiaka androany sy rahampitso satria manodidina ny 4° C hatramin’ny 22°C ny maripana ho an’ny afovoantany.

Tatiana A

Partager sur: