TSELATRA

Voasambotry ny polisy misahana ny vehivavy sy ny zaza tsy ampy taona ny lehilahy iray 70 taona voarohirohy ho tompon’antoka tamina fanolanana tao Mitsinjo Toliara II. Ny 23 jona 2023 lasa teo no nitranga ity fanolanana ity ka nametraka fitoriana ny ray aman-drenin’ilay ankizy niharam-boina.

Tra-tehaka tao an-tranony anatin’ny fokontany Miadampahonina, kaominina Mahitsy, distrikan’Am­bohidratrimo, ny ramatoa iray, omaly. Efa malaza ratsy amin’ny fanaparitahana rongony, nanavaon’ny zandary fisavana tampoka. Tsy afaka nanao na inona na inona ilay mpivarotra.

Maty voatifitra ny lehiben’ny dahalo iray atao hoe Redata namono olona tao Ambalamoa, kaominina Ambahikily, distrikan’i Morombe ity dahalo ity. Anisan’ny ikoizana amin’ny halatra omby tao amin’io distrika io koa izy.

Zaza iray nalain’ny roa lahy nitondra moto an-keriny tao amin’ny fokontany Tsiafanoka, anatin’ny kaominina Tsianisa, distrikan’i Toliara, ny 5 jolay teo. Naka kitay ireo zaza no sendra ireto olon-dratsy tampoka. Nanao ny fanarahan-dia ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana.

Partager sur: