VAOVAO TAMBATRA

Hanohy ny fampiharana ny hetsika “Saemaul Undong” i Madagasikara. Hatomboka eny amin’ireo tanàna vaovao hanaovana ny tetikasa ‘titre vert” izany. Mifototra amin’ny hevi-dehibe telo ny “saemaul undong”, ny ezaka iraisana ho amin’ny fanovana ny toe-tsaina, ho amin’ny fahaleovantena na fiatrehana irery ary ny fiaraha-miasa ka ahafahana mampivoatra koa ireo fiarahamonina eny amin’ny tontolo ambanivohitra.
Mahatratra 120t isan-taona ny vokatra an-dranomasina aondran’ny Orinasa Thalassina ao Antanimalandy, Mahajanga. Misehatra amin’ny fanangonana sy fanodinana vokatra an-dranomasina ity orinasa ity ary mampiasa olona manodidina ny 20. Miara-miasa amin’ny mpanjono madinika koa ny orinasa
Feno 14 taona, anio 7 jolay, ny seranan-tsambon’Ehoala, any Taolagnaro. Seranan-tsambo lalina indrindra aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Mampitohy kaontinanta telo, Azia, Afrika ary Amerika. Ankoatra ny fampidirana ny akora sy ny vokatra aondran’ny orinasa QMM, mandray sambo vaventy koa ity seranan-tsambo ity.
Hirosoana ny dingana hisitrahan’i Madagasikara ny sandan’ny karbona (crédit carbone Redd+), mitentina 50 tapitrisa dolara. Hatsangana ny vaomiera manokana handinika ny hampiasana io vola io, hanatsarana ny tontolo iainana.

Partager sur: