«Maman», hoy ny fiantson’ireo tanora mpanakanto akaiky azy. Mahafehy zavatra marobe izay, raha ny fifandraisan’i Fanja Andriamanantena amin’ireo mpanakanto zandriny sy zanany mihitsy aza. Fanomezam-boninahitra ny voalohany indrindra, satria tsy misoritra amin’ny kanton’ity andrarezin’ny mozika ity akory, na dia efa 60 taona aza ny mozikany.
Tsy seho fanamarihana tsingerintaona fotsiny, fa seho matihanina ary mbola nanaporofoin’i Fanja Andriamanantena fa manan-ko hatolotra hatrany ny mpankafy izy. Afaka manamafy izany ireo mpijery nameny ny CCEsca Antanimena, omaly. Ilay Fanja Andriamanantena maka tsy taitra, kanefa feno fihetseham-po miboiboika isaky ny hira natolony hatrany no hitan’izay nanatrika, omaly. Tsy lefin’ny taona ireo hira, toy ny “Saingy tiana ve?”, ary tsy nohadinoana ny “Matoa aho mikalo”, izay natolony manokana hanomezam-boninahitra an’i Rado.
Ny tsiambaratelony? Tsy misy mahalala, fa angamba mirona any amin’ilay fifaneraseran’i Fanja Andriamanantena amin’ireo zandry, zanany eo amin’ny mozika. Naheno indray ny “Feo roa”, niarahan’i Nanie sy i Lalie an-tsehatra ny mpijery, aoka fotsiny! Avy amin’io hira io ny nivoahan’ny “Mozika tsotra izao”, lalantsaina novoizina sy nozarain’ity mpanakanto ity hatramin’izay. Ary ny “Hainao tsianjery” nataon’i Mahery sy Farakely? Ny “Mpilalao fitia» nataon’i Yrinaf ? Saro-dazaina amin’ireo tsy nanatrika…
Zo ny Aina