Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny antoko Fiombonana, ny faran’ny herinandro teo. “Takinay ny hanaovana ny fifidianana ho andro alahady”, hoy izy ireo, tamin’ny alalan’ny filohany, Ralison Jocelyn Abel. Antony ny hampavitrika ny mpifidy sy haha ara-dalàna izay ho voafidy, ary iaraha- manaiky ny vokatra. Tsy ho very maina rahateo ny ezaky ny Ceni. Notsiahivin’izy ireo fa anaty fahantrana ny maro ka tsy mahafoy andro iray tsy hanaovana ny asa fivelomana, miantoka ny vilaniny isan’andro. Anisan’izany ny varotra sy ny asa madinika samihafa satria ny hohanina anio, tadiavina anio. Hitarika fahavitsian’ny mpifidy, indrindra ny eny ambanivohitra ny hanaovana ny fifidianana amin’ny andavanandro. “Malalaka tsara izy ireo ny alahady noho ny fiatoana amin’ny asa. Afaka ny manefa ny adidiny amin’ny firenena izany”, hoy ihany ny antoko Fiombonana.
Nohamafisin’izy ireo fa hany vahaolana amin’ny toe-draharaha ankehitriny, ny firosoana amin’ny fifidianana madio sy mangarahara ary andraisan’ny rehetra anjara. “Aoka isika tsy ho voarebireby fa hivonona amin’ny fifidianana”, hoy ihany izy ireo.
Tsiahivina fa nandroso ny andro alakamisy 9 novambra ny eo anivon’ny Ceni, amin’ny hanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany.
Synèse R.