“Camp d’élites”: Malagasy vehivavy mpilalao 6 hisitraka fiofanana matihanina

Mihamafy ny fiaraha-miasan’i Madagasikara amin’ny NBA. Mpilalao basikety vehivavy malagasy miisa 6 hiatrika “Camp d’elites”, amin’ity volana jolay ity.

Fiofanana matihanina hiarahana amin’ny NBA no hositrahan’izy 6 mirahavavy, ho fampiroboroboana ny basikety sokajy vehivavy malagasy. Karazana “Camp d’élites” 4 any Afrika Atsimo sy any Etazonia ity fiofanana ity. Mpi­lalao 3 vavy, ahitana an-dRandri­amadimanana Harena, Ratsimason Fitahiana Voary ary Rakotonanahary Johanie Anyssa, hiatrika ny BWB Africa any Johannesburg, ny 28 ha­tra­min’ny 31 jolay izao. Hana­raka ny fiofanana BWB Global any Las Vegas, Rakotobe Kristina, raha toa ka ho any amin’ny Jr NBA Show case any Las Vegas koa, Rabeniamina Kaloniaina Tiffany, ny 12 hatramin’ny 16 jolay izao. NBA Academy Games any Atlanta kosa no nataon-dRasolofoson Marion, ny 5 hatramin’ny 7 jolay lasa teo. Mpilalao misongadina avokoa ireto notsongaina ireto. Misy ny efa matihanina any ivelany, toa an’i Kristina sy Marion. Misy kosa ireo milalao eto an-toerana ihany. Mety ho voaantso ho ekipam-pirenena hiatrika lalao iraisam-pirenena izy 6 mirahavavy ka antony nandefasana azy ireo hivelatra eo amin’ny sehatry ny basikety maneran-tany. Nambaran’ny filohan’ny federasiona malagasin’ny basikety, Ramaroson Jean Michel fa miezaka manao izay ho afany ny FMBB manome fiofanana ho an’ireo mpilalao mba hahafana mampitombo traikefa.

Mi.Raz

Izy 6 mirahavavy hiatrika ny “Camp d’élites”
-Randriamadimanana Harena
-Ratsimason Fitahiana Voary
-Rakotonanahary Johannie Anyssa
-Rakotobe Kristina
-Rabeniamina Kaloniaina Tiffany
-Rasolofoson Marion Fitia

Partager sur: