Handball – IHF Trophy: hatao any Côte d’Ivoire ny fifaninanana

Hotanterahina ny 8 hatramin’ny 12 aogositra ho avy izao, any Abidjan Côte d’Ivoire, ny dingana famaranana amin’ny IHF Trophy kaontinantaly, taranja handball, ho an’ny sokajy zandriny. Samy mandray anjara amin’izany avokoa ny sokajy vehivavy « cadette » sy « junior ». Hiady izay ho lohany ato amin’ny kaontinanta afrikanina ny solon-tena avy amin’ny faritra isanisany izany hoe ny ekipa tompondaka isam-paritra.
Anisan’ireo hiatrika ny fifaninanana ny ekipam-pirenena malagasy, ny Akion’i Madagasikara. Hisolo tena ny faritra faha-6 izy ireo. Raha tsiahivina, samy nandrombaka ny medaly volamena, tamin’izany ny Akio “cadette” sy “Junior” ny volana mey lasa teo. Ny ekipa zandriny, izay nandresy an’i Malawi tamin’ny isa 28 no 17. Ny sokajy zokiny, kosa nandavo ny ekipa avy any Afrika atsimo tamin’ny isa 17 no 14. Nanandratra avo ny voninahitr’i Madagasikara ny ekipa roa tonta.
Firenena miisa 6 no hifaninana amin’ity IHF Trophy kaontinantaly ity. Efa ao anatin’ny fanomanana izany fihaonana goavana izany, amin’izao fotoana izao, ny Akio. Hanana ny lanjany goavana ity fifaninanana ity
satria hiatrika ny IHF Trophy Mondial, izay ho tompon­daka eo.

Tompondaka

Ireo solontena isam-paritra
Faritra 2 : Guinée (Cadette – Junior)
Faritra 3 : Nigeria (Cadette) ; Côte d’Ivoire (Junior)
Faritra 5 : Tanzanie (Cadette) ; Rwanda (Junior)
Faritra 6 : Madagascar (Cadette – Junior)

Partager sur: