JIOI 2023 : mahatratra 497 ny atleta hifaninana

Efa samy nilaza ny isan’ny atletany handray anjara amin’ny lalaon’ny Nosy avokoa ireo federasiona tsirairay, na dia mbola eo am-panaovana ny fitiliana aza. Raha natambatra ny isa avy amin’ireo taranja 25, manodidina ny 497 eo ny atleta malagasy hiatrika ny lalaon’ny Nosy 2023, hatao eto Madaga­sikara, raha tsy misy ny fiovana. Ny taranja atletisma no betsaka indrindra, izay ahitana atleta 60 mianadahy. Tsiahi­vina fa efa naverina ho anisan’ny hifaninanana koa ny taranja kick-boxing, izay manana atleta miisa 14 mianadahy ary ny taranja taekwondo, izay manana atleta 24 mianadahy. Mbola mety hisy fiovana io isa io, araka ny fanazavana avy eo anivon’ny minisiteran’ny Tano­ra sy ny fanatanjahantena. Etsy ankilany, efa misy fantatra koa ny isan’ny delegasiona rahavavy ary ho hampitaina miandalana, raha ny fanazavana hatrany.

Mi.Raz

Partager sur: