Nahazo ny amboaran’ny Opl ny ekipan’ny Fosa Junior Boeny. Tsy afa-bela tamin’izy ireo ny AS Fanalamanga Alaotra Mangoro. Nisaraka tamin’ny isa 1 no ho 0 ny ekipa roa tonta.
Norombahan’ny ekipan’ny Fosa Junior Fc ny vola mitentina 15 tapitrisa ariary. Izy ireo no solontenan’i Madagasikara amin’ny fifaninanana Afrikanina C1. Lavon’ny ekipan’i Boeny tamin’ny isa 1 no ho 0 ny AS Fanalamanga (ASF). Lalao famaranan’ny fifaninanam-pirenena Orange Pro League (OPL), 2023, notanterahina tao amin’ny kianja Barea Mahamasina, omaly. Niady tanteraka ny lalao. Nanindry tamin’ny fahaizana manao tolotra akaiky ny Fosa Junior, nandritra ny fizaram-potoana voalohany. Baolina tokana tafiditr’i Hervé na i Vévé, teo amin’ny minitra faha-22, no nitondra fandresena ho an’ny Fosa.
Niezaka nanova paikady ny mpanazatran’ny AS Fanalamanga tamin’ny fe-potoana faharoa. Nisy ny fanovana mpilalao, anisan’izany ny fampidirana an’i Elefonie, hirakiraka As Fanalamanga. Nanindry tanteraka ry zareo Fanalamanga. Saika nahatafiditra baolina i Elefonie, rehefa nidona tamin’ny tsivalamby ny dakan’i Besna, lohalaharan’ny ASF, ny minitra faha-56.
Tsy mbola afa-bela tamin’ny mpilalaon’ny Boeny ny avy any Alaotra Mangoro. Marihina fa intelo nifanandrina ny roa tonta tamin’ity taom-pilalaovana ity, 1 no ho 0 ihany ny isa nisarahana, resy ny AS Fanalamanga. Tsara ny mampahafantatra fa notoloran’ny mpikarakara lelavola, 7 500 000 ariary ny AS Fanalamanga, tompondaka lefitra tamin’ity fifaninanam-pirenena ity.
Hoy izy ireo :
Frank Rajaonarisamba, mpanazatra Fosa Junior «Nahafehy ny lalao izahay teo amin’ny fizaram-potoana voalohany, nanaraka ny fitsipika tsara ny mpilalao. Somary reraka ny mpilalao anay, afaka nanindry ny AS Fanalamanga. Lesoka tokony ho hamafisina ny resaka tanjaka. Ho an’ny fifaninanana Afrikanina, mikasa ny haka mpilalao hanatevina ny Fosa izahay.”
Raharitiana José Georges, mpanampy mpanazatra AS Fanalamanga “Azo lazaina fa tsy misy ny lesoka ho an’ny As Fanalamanga. Ny fahazarana miatrika ny lalao toy ireny no hita fa tsy ampy ho anay. Maro tamin’ireo mpilalao no tsy mbola manana traikefa miatrika lalao famaranana. Paikady napetraka ny hanohitra ny Fosa saingy izy ireo no nandresy. Hiezaka hanarina ny faharesena izahay ny amin’ny taona manaraka.”
Fitia (Mpianatra asa)