« Lamba forever »; mpahay kanto maro samihafa handray anjara

Ambohipihaonan’ny mpahay kanto, ny eny amin’ny Hakanto Contemporary, manomboka anio. Malagasy sy vahiny mpahay kanto, samy manana ny maha izy azy no hampiranty.

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny asabotsy 8 jolay 2023, teny amin’ny Hakanto Contem­porary, Ankadimbahoaka, ny fampirantiana «Lamba forever”. Fampirantiana karaka­rain’ity ivontoerana ara-kolon­tsaina ity, miaraka amin’ny fiaraha-miasa amin’ny mpahay kanto maro samihafa. Misy koa ny fiaraha-miasa amin’ny mpanatalenta eo amin’ny fampiakanjoana. Nanan-danja teo amin’ny Malagasy ny lamba, ary nilàny azy avokoa ny zava-misy rehetra eo amin’ny fiainany. Izany no nisafidianan’ny mpikarakara izao lohahevitra izao sy ny antony nanaovana ny fampirantiana momba ny lamba. Hanomboka anio ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 18 novambra 2023, ny fampirantiana.
Mpahay kanto maro no misehatra amin’ny fanatontosana ity “Lamba forever” ity. Hita mandritra izany i Gad Bensalem, Jean Yves Chen, Tsiriniaina Irimboahangy, Charles Edgar Lincoln, Joël Andrianomearisoa, Madame Zo, Nazaria Tooj, Jean Luc Raharimanana, Alphonse Rakotovao, Gaston Rakoto­vao, Emile Ralambo, Kevin Ramarohetra, A. Ramiandra­soa, Sandra Ramiliarisoa, Ramilijaona, H. Ranaivo, Nadia Randriamorasata, Ra­solonjatovo, Christian Sanna, Clée Rabeharisoa ary Char­lotte Razafindrakoto. Samy manana ny maha izy azy izy ireo ary miara-misalahy manatontosa ity fampirantiana ity. Lamba vita avy amin’ny landy sy landihazo ary rafia, izay efa voatenona, araka ny fiangalian’ny mpahay kanto azy no miranty ao amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimba­hoaka.
Ankoatry ny fankafizana ireo haikanto vita amin’ny lamba. Miteraka tombony ho an’ny haikanto malagasy ny fampirantiana.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: