Tra-tehaky ny zandary teny Ankadikely Ilafy i Rasta. Sady mpilalao no mpamatsy ody ratsy ny jiolahy eto an-drenivohitra. Mpidoroka sy mpivarotra zava-mahadomelina koa.
Ela nikarohana azy ny mpitandro filaminana. Voasambotra tao an-tranony, teny Ambohibe, kaominina Ankadikely Ilafy, i Rasta,ny zoma lasa teo. Natolotra ny fampanoavana ny ampitso ihany. Nidoboka am-ponja avy hatrany afakomaly. Voarohirohy ho mpanome ody ratsy sady mpampandro jiolahy izy. Ankoatra izany, misy fandikan-dalàna maro hanenjehana azy toy ny halatra moto, fitazonana ody ratsy, fikambanan-jiolahy, fampiasana hosoka, fandrahonana ho faty ary trafikana zava-mahadomelina.
Mialokaloka any Ambohibe, kaominina Ankadikely Ilafy izy, ao amin’ny trano fandraisany ireo olona mila ny tolotra avy aminy. Toy ny mpaka ody ratsy, izay olon-dratsy ny ankamaroany. Tratra teo am-pifohana zava-mahadomelina izy, nandritra ny be midina nataon’ny zandary. Nisy ny fisavana ity trano izay toeram-piasany ity, nataon’ny mpitandro filaminana. Hita tao ny ody ratsy, baramina, zava-mahadomelina, karapanondro hosoka ary ireny tavoahangy fifohana zava-mahadomelina ireny na Bong (Tavoahangy nasiana pipa hifohana rongony). Nomarihin’ ny zandary fa mponina eny amin’ny faritra IVO Antohomadinika izy fa eny Ankadikely Ilafy no miery sy manao ny asa ratsiny.
Araka ny fampitam-baovao tamin’ny zandarimaria, efa nangalatra moto, tao Antanambao Ambohimangakely, izy, ny volana mey 2023. Tsy nitory ny tompon’ny moto noho ny fandrahonana ho faty nahazo azy. Afa-maina ity mpilalao ody ity.
Maro ny olona tonga nijoro vavolombelona nandritra ny famotorana azy. Nanamafy izy ireo fa anisan’ny mpamaky trano sy mpanakan-dalana eo anelanelan’Ambohimangakely sy Ankadikely Ilafy i Rasta. Mpitarika olon-dratsy eo amin’ny manodidina..
Jean Claude