Nifarana omaly, ny fifaninanam-pirenena Orange Pro League (OPL), ho an’ny taona 2023. Nambaran- dRakotoarimanana Henintsoa, filohan’ny CFEM, teny Mahamasina fa mety hatao vondrona iray ity fifaninanana ity, mba hahafahan’ny klioba rehetra mifanandrina. Araka izany, tsy misy intsony ny vondrona avaratra sy atsimo.
Marihina fa mbola hisy ny fivoriana mahakasika izany, ataon’ireo klioba elita rehetra miaraka amin’ity filohan’ny CFEM ity sy ny Federasionn’ny baolina kitra malagasy (FMF). Ho fiatrehan’ny Fosa Junior ny fifaninanana Afrikanina, hatomboka aloha ny taom-pilalaovana 2024. Ezahina hanatanteraka lalao dimy anatin’ny fifanintsanana Opl izy ireo, mialohan’ny fiatrehana ny fifaninanana Afrikanina C1. Ny resaka sazy ho an’ireo klioba nandika ny fitsipikin’ny Opl, hodinihin’ny mpitantana rehetra ao amin’ny CFEM.
Araka ny vaovao voaray, ny fanjakana no miantoka ny ekipa tompondaka amin’ny lalao Afrikanina .
Fitia (Mpianatra asa)