Ronono an-tavo

 

Tsy fasian-dronono ny tavy. Ny ronono tsy fanao an-tavy. Ronono an-tavo no marina. Tavo, nahazoana ny tavoara, voatavo, tavo(a)hangy… Zava-miafina na afenina ny ronono an-tavo: manodoka, mamitaka. Mety ho lainga fotsiny izao aza… Misy tanjona kendrena amin’ny ronono an-tavo. Na ankolaka io na mivantana. Ny resaka sy ny kabary no tena fanaovana ronono an-tavo. Na resaka ambony latabatra, na kabary ambony vavahady.
Mby an-tsaina amin’izany ny politika tena fanaovana ronono an-tavo, indrindra ao anatin’ny zotram-pifidianana.. .Efa misy ny manao ronono an-tavo? Hanao an’itsy, hanome an’iroa… Tsy inona fa izay hahazoana ny fo sy ny vaton’ny mpifidy dieny mialoha. Atao izay fampanantenana sy fanamby rehetra hambaboana olona. Dia misy ny manao teny tsy tsaroana. Na mihoa-bava… Tsy vaovao ny toy izany? Fanao, mahazatra…
Be izay ronono an-tavo izay. Mby aiza ny fanatanterahana? Hita ny vita sy ny tsy vita… Matoa mbola izao ny fiainam-bahoaka, misy tsy mahafa-bela ao… Izany hoe, manan-karena i Madagasikara, fa ny vahoaka mahantra. Samy nanao izay afany sy efany ny mpitondra? Na tamin’ny asa io; eny, na tamin’ny ronono an-tavo aza. Misy teny tsy tsaroana, na natomboka tsy vita hatramin’ny farany. Eo ny vahoaka mitsara izay misy sy iainany.
Sanatria, fotoan’ny ronono an-tavo izao? Fiatrehana fifidianana… Mbola voafitaka amin’ny karazana ronono an-tavo ve ny vahoaka? Resaka matavy, mampandry adrisa, mampody mandry… Tsy atao izay lazaina imaso? Na tsy lazaina koa izay atao any ambadika… Mbola misy na hisy ihany ny toy izany? Anjaran’ny olompirenena tsirairay ny mandinika, mitsara, misafidy… Tom­ponandraikitra izany. Mba manao ahoana ny fiainan’ny tena amin’izao?

R. Nd.

Partager sur: