Rugby – XXL Top 20: Fantatra avokoa ireo hiatrika ny manasa-dalana

Tontosa omaly, teny amin’ny kianja Makis Andohata­penaka, ireo lalao ampahefa-dalana efatra, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “XXL Top 20”. Fantatra avokoa ireo ekipa efatra tafita amin’ny manasa-dalana dia ny FTM Manjakaray, ny Cosfa ny Uscar ary ny 3FB.
Nivoaka sempotra ny Uscar vao nandresy ny TFA, tamin’ny isa tery, 33 no ho 29 nisarahan’ny roa tonta. Niady hatramin’ny segondra farany ny lalao. Nitarika tamin’ny isa, 30 no ho 29 ny Uscar, teo amin’ny minitra faha-75. Nanindry Ana­ti­hazo avy eo ary nibodo tany amin’ny tanin’ny kaominina saingy tsy nety nahatonga baolina nentin-tanana, mihitsy. Nahazo “Hors jeu” ny Uscar, taorian’io, izay voatsara ka lasa 33 no ho 29. 30 segondra tsy hiravana, nisy valim-panafihana haingana nentin’ny TFA saingy latsaka teo amin’ny tolotra farany ny baolina. Efa naneno rahateo ny “gong” ka nirava ny baolina.
Voan’ny 3FB tamin’ny traikefa ny Tam
Sahirana ny 3FB (Fahasa­lamana) vao tafavoaka nanoloana ny TAM Ano­sibe. 30 no ho 21 ny isa nisarahan’ny roa tonta. Nitarika tamin’ny isa, 9 no ho 7 Anosibe, teo amin’ny fizaram-potoana voalohany. Niseho ny traikefan’ny 3FB tany amin’ny fizaram-potoana faharoa. Hain-dry Biby sy i Jaona Be ary i Rija, ny nanafaingana ny lalao. Nisy ny baolina nentin-tanana vitan-dry zareo. Tetsy an-kilany, nahatsindry “essai” koa ny Tam sain­gy tsy ampy izany.
Tsy nisy kosa ny fahasarotana ho an’ny Cosfa sy ny FTM. Ny miaramila nanilika ny STM, tamin’ny isa 44 no ho 23 ary Manjakaray nandavo ny USA Ankadifotsy, 52 no ho 8. Araka ny vaovao voaray, aorian’ny lalaon’ny Nosy(JIOI 2023) vao hatao ny manasa-dalana.

Tompondaka

Partager sur: