Nidina ifotony teny Antohomadinika Atsimo ny sekreteram-panjakana misahana ny Toeram- ponenana, Andriamanohisoa Gerard, sy ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Andriantsitohaina Naina, ny faran’ny herinandro teo. Namaly ny fangatahan’ny mponina teny an-toerana izy ireo. Nihaino mivantana sy nitondra fitoniana ho an’ireo mponina ny roa tonta mikasika ny lamina eo amin’ny tany honenany.
Miandry ny fandaminan’ny fitsarana, araka izany, ny rehetra. Hanampy amin’ny fifampiresahana amin’ireo tokantrano aman-jatony manana trano eo ambonin’ny tany sy ny tompon’ny tany ny manampahefana. Tanjona ny mba hahitana ny marimaritra iraisana tsy hisian’ny fatiantoka mihoa-pampana amin’ny andaniny sy ny ankilany.
Mikasika ireo olona monina eny Ankasina, 67Ha, Coum, Ambodin’Isotry kosa izay nanorim-ponenana eo ambonin’ny tanin’ny Seimad dia mila miditra amin’ny ara-dalàna izy ireo.
Nampahafantatra ny fanapahan-kevitry ny fanjakana ny tomponandraikitra nandritra ny fidinana ifotony mba hirosoana amin’ny fanaovana taratasy ara-dalàna hisoratra amin’ny taniny.
Nanaovana fampiantsoana, araka izany, ireo mponina eny an-toerana hanatona ny Seimad hamaritana ny vidin’ny tany hahazoana misitraka izany tanteraka. Hiitatra any Mahajanga eo amin’ny Sotema, hatrany Amborovy koa ity ezaka fisitrahana ny tany amin’ny fomba ara-dalàna ity.
Tatiana A