SERANAn’ehoala: efa nisy sambo 65 niantsona

Fiaraha-miasan’ny fanjakana malagasy sy ny orinasa Rio Tinto ny nanamboarana ny seranan-tsambon’Ehoala any Taolagnaro. Tao anatin’ny tetikasa “Pôle intégré de croissance (Pic)”, na Tendro ifotony hisian’ny fitomboana ara-toekarena. Vita ny taona 2009, entina hivezivezen’ny entana sy ny vokatra ilain’ny faritra sy ny manodidina, sady ho an’ny fizahantany koa. Anisan’izany ny entana ilaina andavanandro, ny
solika, ny fanondranana hazandranomasina, ny harena an-kibon’ny tany, sns.
Maherin’ny 65 ny sambo niantsona tao amin’ity seranan­tsambo ity nandritra izay 14 taona niasany izay. Goavana sady lalina indrindra aty amin’ny ranomasimbe Indiana izy. Mampitohy kaontinanta telo, Afrika, Azia ary Amerika. Niisa 48 977 ny mpandeha nizaha tany tao Taolagnaro sy ny manodidina.
Nilaza ny talen’ny serana-ntsambon’Ehoala, Rabiaza Andriantsoa, fa fotodrafitrasa tokony hampirehareha an’i Madagasikara ity seranantsambo ity. Mamaly ny fenitra iraisam-pirenena amin’ny lafiny fiarovana sy ny aroloza (ISPS), ka manome antoka ny mpanjifa.

Njaka A.

Partager sur: