Taksiborosy roa, miasa amin’ny zotra samihafa no nilatsaka anaty hantsana, ny faran’ny herinandro lasa teo. Vokany, Olona telo namoy ny ainy, Am-polony manaraka fitsaboana. Ny tranga iray, nampihoron-koditra ny mpampiasa ny lalam-pirenena fahafito, teo Ambohimaha, anatin’ny kaominina Alakamisy Ambohimaha, ka nahafatesana lehilahy iray. Maty voapotsitry ny fiara raha nikasa ho any Fianarantsoa. “Tsy nahazo tampoka ny hany hisatra tokan’ny fiara ka nitarika tamin’ny loza”, araka ny fanadihadiana nataon’ny zandary tamin’ilay mpamily. Vokany, nianjera tany anaty hantsana mirefy 32 metatra ilay taksiborosy. Olona 13 naratra.
Ny loza faharoa, taksiborosy mampitohy an’Antananarivo sy Mahajanga no nivadika afakomaly maraina. Niharan-doza tampoka teo amin’ny PK 284+400, fokontany Antanimbary, kaominina Ambanivohitra Antanimbary, distrikan’i Maevatanàna. “Niakatra fiakarana, niala lavaka ka nivarina tany anaty hantsana ny fiara”, hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny Borigady Maevatanàna. Tratry ny torimaso fotsy ny mpamily. Maty teo noho eo ny renim-pianakaviana sy lehilahy iray. Mpandeha 13 naratra. Nentina nanaraka fitsaboana eo anivon’ny CHRR Maevatanàna ireto farany. Voa mafy eo amin’ny lohany ny vehivavy mpandeha iray.
Tsiferana R.