40 taona lasa izay! Toa ny vao omaly ho an’ny nanaraka hatrizay, ny nampiakaran’i Njila an-tsehatra ny tovovavy iray, manam-peo miavaka. Nitondra ainga vao ho an’ny tarika Njila i Poopy. Nanosika an’i Poopy nankany amin’ny laza koa izany. 40 taona aty aoriana, mbola ao anatin’ny lazany izy, ka rariny raha toa mitodika amin’ny niandohana. Hotontosaina ny alahady 6 aogositra izao, etsy Antsahamanitra ny “Tamberina an-kira”, avy any amin’ny 40 taona lasa. Njila sy i Poopy, ho tafaraka an-tsehatra indray. Fotoan-dehibe ho an’
ireo mpankafy efa nanaraka hatrizay izany. Efa nanomboka tao amin’ny Palais des Sports ny fankalazana ho an’i Poopy. Hotohizana amin’ity fiarahana amin’i Njila ity, raha nanao jery todika ny niandohany izy.
Efa tonga eto an-tanindrazana i Njila, amin’izao fotoana izao. Nisy ny andian-tseho izay notontosainy tany Etazonia, farany teo. Hiatrika ny famerenan-kira ireto mpanakanto ireto, amin’ity herinandro ity. Ireo hira niandohan’ny tarika, toa ny “Ilazao ny famonjena”, “Raha hiverina”, sns, no tena andrasan’ny mpankafy. Hisy tolotra hafa homamin’izy ireo.
Zo ny Aina