Feno ny kapoaka! Mampiato ny fampianarana ny Seces, anio. Hitohy amin’ny fitokonana fanairana mandritra ny 72 ora izany raha tsy misy ny vahaolana hatramin’ny rahampitso.
Miato tanteraka ny fampianarana rehetra eny amin’ny oniversiten’ Antananarivo, anio, araka ny fanapahan-kevitry ny Seces. Tsy nisy ny finiavana avy amin’ny fitondram-panjakana amin’ny famahana ny olan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra.
“Tsy maintsy miroso amin’ny fampiatoana ny fampianarana izahay”, hoy ny filohan’ny Seces Antananarivo, Ravelonirina Sammy Grégoire. Hisy ny fivoriana hataon’izy ireo rahampitso, ka eo no hidirana amin’ny hetsika fitokonana fanairana mandritra ny 72 ora, izay hitsaharan’ny fampianarana tanteraka.
Raisin’ny Seces ho fanaovana tsinontsinona azy ireo ny tsy fandraisan’andraikitry ny fanjakana amin’ny tontolon’ny fampianarana ambony. “Ny mpitondra dia mahavita zavatra raha te hanao, satria tampotampoka eo te handray ny lalaon’ny Nosy, vitany izany. Misy vola lany amin’izany.”, hoy ny Seces. “Tsy mba afaka manome ny zo sy ny hasina voafaritry ny lalàna ho anay anefa ny fanjakana ka heverina fa misy finiavana tsy te hanome lanja ny fampianarana ambaratonga ambony mihitsy ao”, hoy hatrany ny filohan’ny Seces.
Niezaka nifampiantso tamin’ny tomponandraikitra tao amin’ny minisitera hatrany ny Seces hatramin’ny zoma hariva saingy tsy nisy setriny izany.
“Tsy laharam-pahamehan’ny fanjakana ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Heverina hanampy ny tolona iraisan’ny Seces ny mpampianatra any amin’ny faritany ary tsy misy hanaiky handefitra amin’ny zo sy hasina izany intsony ny rehetra.”, hoy ity filohan’ny Seces ity namarana ny fampitam-baovao.
Tatiana A