Naiditra am-ponja vonjimaika ny teratany kaomorianina roa, voarohirohy ho tompon’antoka tamina fikasana hanondrana an-tsokosoko zazamenavava hihazo ny Nosy Comores. Olona enina izy no ao anatin’ity tambajotrana mpanao trafikana zazakely ity. Nahasambotra azy ireo ny polisy miasa ao amin’ny “service central des enquêtes spécialisées”, Anosy. Ny 1 jolay lasa teo, saika hiondrana ho any Comores, niaraka tamin’ny zazamenavava hivoaka ny sisintany izy ireo.
Noho ny angom-baovao sy ny fiaraha-miasa tamin’ny loharanom-baovaon’ny polisy. Tsy afaka niala teto Madagasikara ilay zaza sy ny mpanao trafika. Voasakana teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ireo olon-dratsy. Tsy ara-dalàna ny antontan-taratasy momba ny zaza. Niaiky heloka ireo kaomorianina tamin’ny fanadihadiana. Misy teratany Malagasy niara-niasa tamin’izy ireo ka anisan’izany ny renin’ilay zazakely sy ny lehilahy iray nanampy azy. Mbola misy mpiray tsikombakomba karohina.
Ankoatra azy mirahalahy teratany vahiny, hampidirina am-ponja koa, ny renin’ilay zazakely. Miandry ny fivoahany hopitaly izany.
Jean Claude