Antoko MMM : “Tsy tokony ho izao isika”

Nitohy tany Sava ny fihaonan’ny MMM amin’ireo mpikambana sy ny vahoaka any an-toerana, ny asabotsy teo. Hentitra ny nambaran’ny filoha nasionaliny, Andrianainarivelo Hajo. “Tsy tonga amin’izao ny seha-pihariana lavanila raha nampihatra ny fitsinjaram-pahefana ny mpitondra”, hoy izy. Nambarany fa niroborobo izany raha notohanana ny tantsaha. Nohenoina ny eny ifotony sy ireo mpisehatra ary nohalalahana ity fihariana ity. Navoitran’ny mponina fa eo ny tsy fahaiza-mitantana sy ny bemarenina ary ny teny midina ka tsy afa-bela ny lavanila. “Nitotongana ny vidiny tato anatin’ny efa-taona, vokatry ny tsy fampiharana ny fitsinjaram-pahefana”, hoy hatrany ny MMM.
Nohamafisiny fa efa niova izao ny raharaha. Ilaina hampiharina ny politika sahy sy miova amin’ny mahazatra. “Mitaky fahaiza-manao izany hiteraka fampandrosoana. Omena fahefana sy fahatokisana ny eny ifotony. Omena fitaovana hamaliana ny filàn’ny vahoaka”, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: