Anisan’ny mikarakara ny fahasalaman’ny mponina amin’ny fanohanana ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka eto amintsika ny Tahirin’ny Firenena mikambana momba ny mponina (UNFPA). Andraikitra lehibe sahaniny ny fampitaovana ny CSB sy ny fanomezana fanafody ary fametrahana mpiasan’ny fahasalamana any ambanivohitra. Ny ahazoan’ny vehivavy miteraka anatin’ny fenitra tsy hitera-doza ho azy ireo no tanjona. Nandritra ny taona 2022, vehivavy 152 746 no afaka nisitraka fiterahana niaraka amin’ny mpiasan’ny fahasalamana tohanan’ny Unfpa. 28 924 ireo nahavita ny fisafoana inefatra nandritra ny fitondrana vohoka satria nisy rasazy tao amin’ny CSB akaiky azy ireo. 100 mahery ny mpampivelona napetraky ny UNFPA sy ny minisiteran’ny Fahasalamana hitsinjovana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza. Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza farany teo, nanamboatra toeram-piterahana simba ny sampandraharaha ho an’ny faritra Atsimo Atsinanana tena voa mafy.
Ho fiahiana ny fahasalamana, mila arindra ny fiterahana ka mividy fanafody fandrindram-piterahana sy mitatitra izany hatrany amin’ny CSB lavitra izy ireo. 2 tapitrisa ireo vehivavy afaka nandrindra ny fiterahana, ny taona 2022, manerana ny Nosy. Nampiasa “drone” ho an’ny toerana saro-dalana tsy ho tapaka ny famatsiana fanafody.
Vonjy