Tsy ny sokajy safidian’ny mpiadina hanala ny fanadinana bakalorea akory dia ampy ilazana fa « tsy manana saina hoenti-miatrika ny taranja Matematika, Fizika sy Simia, SVT… ny Malagasy » ! Tsy io tranga io akory no ilazan’ny sasany fa : « ahiana ny hoavin’i Madagasikara, satria, lasa literera (mirona any amin’ny haisoratra sy fandalinan-kevitra, filozofia…) ny ankamaroan’ny mpianatra ankehitriny. Ny siantifika anefa no tena ilaina amin’ny fampandrosoana ny firenena ». Ho an’ireo tsy mahita afa-tsy ny eo an-tendron’orony ny fandinihana tahaka izany.
Olon’ny siansa ny Malagasy. Siansa iray manontolo ny sikidy. Iza amin’ny firenena eto ambany masoandro no mahay mampiasa ny sikidy ? Siansa iray manontolo ny fanorona. Iza amin’ireo ambara fa firenena siantifika no mahay mampiasa ny fanorona ? Na iraisam-pirenena aza ny fanandroana sasany, manana fahaizana sy fahalalana azy manokana ny Malagasy. Vokatry ny fandinihana lalina ny nahaizany izany. Azo porofoina amin’ny siansa tsara anefa ireny. Fomba amam-panao malagasy tsy tambo isaina no mifaka sy mifototra amin’ny siansa (karazana ody, fady…)… Ny tsy fanomezana lanja sy hasina ireny rehetra ireny no anisany nampidi-kizo ity firenena ity. Nihena ny fahaizan’ny Malagasy mandalina.
… Na izany aza, mila jerena ny mahatonga ny mpianatra hirona bebe kokoa any amin’ny taranja literera. Sanatria, tsy mahay mampita fahalalana ve ry zareo mpampianatra ny taranja siantifika ka mampandositra ny mpianatra ? Ny vontoatin’ireny taranja sokajiana ho siantifika ireny ve mamaly ny filan’i Madagasikara sy ny Malagasy ?…
HaRy Razafindrakoto