Mbola vitsy ary tsy marisika ny hividy ireo akora voahodina avy amin’ny alalan’ny fako ny Malagasy, raha ny zava-misy. Mbola maro ny mihevitra azy ireny ho fako hatrany, raha ny fanadihadiana natao.
«Miakatra ny tahan’ ny “gaz à effet de serre” (entona ratsy) rehefa mitoby be loatra ny fako”, hoy ny filohan’ny fikambanana Tafita eny Ambohimanambola, Rasoanantoandro Perline Lalao, raha nanontaniana omaly. Mitombo ihany koa ny hafanana vokatry ny fiovan’ny toetr’andro. Mampihena ny tahan’ny fahasimban’ny tontolo iainana ny fitrandrahana ny fako ho lasa zezika sy akora hafa ka antony nanaovan’izy ireo ny tetikasa « fanodinana fako ».
« Mbola sarotra ihany koa ny mivarotra sy mandresy lahatra ny Malagasy hanjifa ny akora voahodina », hoy izy. Ezaka ataon’izy ireo, araka izany, ny hanentana sy hampianatra ny tanora mba hitia izany tsikelikely, raha ny fanazavana. Amin’ny ankapobeny, ny vahiny no tena mpanjifa ny vokatra voahodina eto Madagasikara. Ireo tanora anaty fikambanana kosa no tena liana amin’ny fanodinana karazana fako toy izao.
Fanodinana
Manano sarotra ny fanangonana ny fako raha tsy miara-miasa amin’ny sokajin’ olona maro samihafa. Anisan’ izany, ny tokantrano, ny mpivarotra, ny orinasa … Azo ampiasaina avokoa ireo akora rehetra heverin’ny olona fa fako. Anisan’izany, ny harona « sachet », tavoahangy plastika, « pellicule », kapila mangirana, kodiarana, boritra, taratasy, akanjo tsy ilaina intsony… Hahavitana vokatra maro isan-karazany izany (poketra, lamban-databatra, seza, vakana, biriky…).
Maharitra herinandro ny fanodinana ny fako iray ho lasa akora azo ampiasaina. Misy fepetra maro tsy maintsy arahina ny fanamboarana izany mba ho lasa vokatra tsara sy ho tian’ny olona. Alaina ny fako izay safidiana ahodina, tsy maintsy diovina avy eo. Tapahana mba hitovy refy avokoa izany. Rariana avy eo, araka ny paoziny tian’ny mpanao azy havoaka. Tanjona ny hanentanana ny olona rehetra hanaja ny tontolo iainana.
Trano vita amin’ny fako
Efa miroborobo ny fanodinana fako any firenena ivelan’i Madagasikara, anisan’izany i Afrika. Azo atao ny mipetraka amin’ny trano vita amin’ny tavoahangy, izay mbola tsy hita eto amin’ny Nosy. “Azo hanamboarana trano ny tavoahangy, fenoina fako na fasika ao anatiny, laroina amin’ny simenitra izany avy eo mba hirafitra tsara”, hoy hatrany ny teo anivon’ny fikambanana. Maro ny mihevitra izany, ho adalana, misy ny mahita fa tsara alain-tahaka izany.
Ilaina ny fahaiza-manokana
Manary sy manipy fako eny an-dalambe ny ankamaroan’ny olona, raha ny zava-misy. Ahitana taratra izany avokoa na any anaty fiara, na mandeha an-tongotra. Mihevitra ho tsy misy mahita izy ireo ka antony anaovany izany, raha ny fanadihadiana natao. “Antony iray mahabe fako ny faritra iray ny fanaovana izany fihetsika izany”, hoy ny filohan’ny fikambanana Tafita, Rasoanantoandro Perline Lalao. Tsy ampy ny fanodinan’ny fikambanana maro samihafa ny fako raha ho an’i Madagasikara. “Ilaina fiaraha-mientan’ny rehetra izany mba hahatrarana ny tanjona”, hoy hatrany izy. Nilazany fa tokony hiezaka hitahiry ny fakony any am-paosy ny rehetra mandra-pahitana toerana voatokana ho amin’izany. Mba hitsinjovana sy hialana amin’ny fahalotoan’ny tontolo iainana sy ny toerana iombonana.
Tokony hiala tsikelikely amin’ny toe-tsaina tia manary fako eny an-dalambe ny Malagasy. Ezaka ataon’ny isan-tokantrano ny hanavaka ny fakony ka hanome izany ho an’ ireo olona afaka manodina azy ireny. Ankoatra izay, tokony hahay hanodina ny fako mba hampihenana ny fako miparitaka, raha ny fanazavana.
Marihina fa fikambanana iray anisan’ny manodina ny fako ho lasa akora azo ampiasaina ny fikambanana Tanjona ho an’ny fivoaran’ny tanora (Tafita) eny Ambohimanambola.