Fanohanana ireo marefo-BNGRC : hanainga ny andiany faharoa hitondra sakafo

Manomana sahady ny fiatrehana ny loza sy ny tandindon-doza ny mpisehatra eny ifotony miaraka amin’ny Banky iraisam-pirenena. Misy vokany amin’ny vahoaka ny fahaizana mifehy ny fivoarana samihafa. Mitohy koa ny fanohanana ireo tokantrano marefo.

«Fakan-tahaka aty Afrika i Madaga­sikara amin’ny fi­tan­tanana ny loza sy ny tandindon-doza satria manana paikady ampiharin’ny mpisehatra eny ifotony », hoy ny tale jeneralin’ny Birao nasionaly misahana ny fitantanana ny loza voajanahary sy ny tandindon-doza (BNGRC), Andri­an­kaja Elack Olivier, teny Am­bodivona, omaly. Efa vita ny hetsika anatin’ny hamehana fanampiana ireo marefo vokatry ny haintany sy ny rivodoza ary ny tondradrano fa mitohy kosa ny fanohanana sakafo ireo fianakaviana sahirana noho ny tsy fahampian’ny sakafo ho an’ny faritra Atsimo Andrefana sy Atsimo Atsi­nanana. Hanainga ny andiany faharoa amin’ity herinandro ity hanohy ny asa satria natokana ho an’ny sosialy ity taona ity, araka ny toromariky ny fanjakana.
Efa manana traikefa ny mpisehatra eny ifotony fa mila manaraka ny fivoaran’ny teknolojia sy ny fivoaran’ny loza voajanahary (miha mahery vaika) koa izy ireo. Nosy i Madagasikara ary mandalo isan-taona ny loza toy ny rivodoza sy ny vokatra aterany. Manamafy ny fahaiza-manao ny teknisianina avy amin’ny minisitera voakasika, ny kaominina Antananarivo Reni­vo­hitra, sy ny mpiasan’ny BNGRC… miaraka amin’ny manampahaizan’ny Banky iraisam-pirenena. “Fanom­bo­han’ny fiaraha-miasan’ny roa tonta izao fa hitohy amin’ny sehatra hafa”, hoy ny manampahaizana amin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza ao amin’ny Banky iraisam-pirenena, Atishay Abbhi. Roa andro ny faharetan’ny fiofanana ary hitohy any Ma­hajanga.
Momba ny filazan’ny Trans­parency International fa misy manodina ny fanampiana ho an’ny marefo, milaza ny tale jeneralin’ny BNGRC fa tokony hanao fanadihadiana ny fanjakana ary omena ny sazy sahaza azy ireo meloka.

Vonjy A.

Partager sur: