Notendren’ny Papa Fransoa, omaly, ho evekan’ny diosezin’Antsirabe ny Mgr Andriantsoavina Jean Pascal. Eveka mpanampy eto amin’ny diosezin’ Antananarivo nanomboka ny jolay 2019. Tsiahivina fa hisolo tena ny Fivondronamben’ny eveka eto amintsika any amin’ny synaoda any Roma ny tenany ny oktobra izao.
Hotanterahina etsy amin’ny FLM Ambatovinaky, rahampitso, ny fakan-kevitry ny FFKM, amin’ ireo mpanao politika sy ny fikambanana samihafa. Hodinihina anio, kosa ny fiainana anatin’ny FFKM. Miara-dalana amin’izany ny eny Avaradrano sy Ihosy ary Ambovombe.
Nihaona tamin’ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, teny Faravohitra, omaly, ny Fikambanan’ny vehivavy ben’ny Tanàna. Nitarika azy ireo ny filohany, ny ben’ny Tanànan’Anosizato Andrefana, Andriambololona Laurence. Noresahina ny fanomanana ny hetsika ho an’ny vehivavy amin’ny 6 aogositra.
Tsy tafiditra intsony ao anatin’ny lisitry ny mpifidy ny olompirenena tsy tafiditra tamin’ny 6 jolay, araka ny fanazavan’ny filoha lefitry ny Ceni, Andriamalazaray Andoniaina. Afaka mangataka “ordonnance” na didy hitsivolana hisoratra anarana anaty lisitry ny mpifidy eny amin’ny Fitsarana kosa anefa izy ireo. Aorian’izay afaka manatona ny tomponandraikitra.