Anisan’ny fikambanana manohana ny fanatanterahana ny fifidianana ny Fiombonana fotokevitra maha Malagasy, Fifomama.
Mangataka ny fahafahan’ny Malagasy rehetra te hirotsaka hofidina ny mpikambana, izay nivory omaly, tetsy 67 ha. Mangataka ny firotsahan’ny filoha am-perinasa, Rajoelina Andry, izy ireo. «Mahafeno fepetra izy. Manana ny zom-pirenena malagasy izay tsy hiadian-kevitra. Raha mahakasika ny maha vazaha azy. Mazava ny voalazan’ny andininy faha-23, andalana faha-8, amin’ny “code civil” frantsay, manan-kery nanomboka ny 23 jolay 1993, fa izay olona mizaka ny zom-pirenena frantsay kanefa misahana asam-panjakana any amin’ny firenen-kafa dia very ny zony. Vao nandray ny andraikiny izy ny taona 2018, dia efa tsy vazaha intsony », hoy ny mpandrindra nasionalin’ny fikambanana, Tsaratiana Laurent. « Tsy tokony hijanona eo amin’ny andininy faha-42 sy 53 ny sata mifehy ny zom-pirenena malagasy sy ilay andininy faha-46 amin’ny Lalàmpanorenana isika, fa tokony hijery ny sata mifehy ny zom-pirenena frantsay », hoy hatrany izy.
Mangataka ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, mba hametraka ny rafitry ny HCDDED, sy ny Komitin’ny fampihavanana malagasy ary ny fanavaozana ny rafitry ny “Comité pour la Sauvegarde de l’Integrité” (CSI), mialoha ny fametraham-pialany ny filoham-boninahitry ny fikambanana, Raharinirina Jacques Aimé,
Lin