Mitohy ny fivoahan’ny valim-panadinana BEPC 2023. Efa azo jerena ao amin’ny tranonkalan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena na ny tambajotra serasera facebook ny vokatra. Anatin’ny efa vita ny Cisco Maintirano, Ikalamavony, Ankazobe, Benenitra, omaly. Nanambara ny tomponandraikitra fa roa herinandro eo ho eo ny faharetan’ny fitsarana.
Efa lasa eny anivon’ny oniversite tsirairay ny karaman’ireo mpiasa nisahana ny fanadinana bakalorea 2020, 2021 sy 2022. Andraikitry ny tomponandraikitra any an-toerana ny fandoavana ny sora-bola, hoy ny minisiteran’ny Fampianarana ambony. Mbola nisy nitaraina ireo mpampianatra fa tsy nisitraka ny tambin-karamany hatramin’izao.
Hotanterahina, anio, eny amin’ny distrikan’ Ambohidratrimo, ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny mponina izay tarihin’ny minisitry ny Mponina, Soafilira Princia. Lohahevitra ny mikasika ny fanalalahana ny fahefana ho miralenta ny lahy sy ny vavy ka hohenoina ny hevitry ny vehivavy sy ny ankizivavy anjakan’ny fahalalahana…
Hitohy hatramin’ny alakamisy ny fikorontanan’ny ranomasina any atsimo andrefana sy afovoany andrefan’ny Nosy, hatrany atsimo atsinanana. Filazana fampitandremana miloko mena ho an’ny morontsiraka Taolagnaro hatrany amin’ny tanjona Vilandrano. Filazana miloko mavo kosa ho an’ny tanjona Angotsy.