Tontosa tamin’ny herinandro lasa teo, tetsy amin’ny ANS Ampefiloha, ny katrokady natao hifantenana ny ekipam-pirenena malagasy hiatrika ny Lalaon’ny Nosy JIOI 2023, taranja Kick-boxing. Kickers miisa 50 no nandray anjara avy amin’ny ligim-paritra 8, nahitana ny avy eto Ana-lamanga, Atsinanana, Menabe, Atsimo Atsinanana, Matsiatra Ambony, Atsimo Andrefana, Vakinankaratra, Boeny.
Ady miisa 38 no nitranga tamin’izany, izay tsy nifampitsitsy fa nifampitady tanteraka. Ny faran’ny herinandro teo, efa nitsidika ireto ekipam-pirenena ireto ny minisitra mpiahy azy, izay nitondra fanampiana sy fanohanana ho azy ireo. Ny JIOI andiany faha-11, hotanterahina eto amintsika manomboka ny 25 aogositra hatramin’ ny 3 septambra ho avy izao.
Ireo voafantina
-51kg : Jean de Dieu,
-54kg : Rakotoniriko, -57kg : Justin Zafy, -60kg: Randriamasiniaina,
-63,5kg: Randrianjafy,
-67kg: Lahamahavonjy,
-71kg: Razanajatovo Fazaraly,
-75kg: Randrianantenaina Mickael, -81kg: Rakotoson Urbain, 71kg : Fabrice,
-75kg : Mohamed, -81kg : José Émile.
Vehivavy : -48kg Natacha sy Mioratina, -56kg: Anita, Sandra, Judy,
-52kg: Sandra sy Larissa, -60kg: Faratina sy Sandy.