Araka ny fanadihadiana natao, hanomboka ny 15 na 17 jolay ho avy izao ny fampivondronana ireo atleta rehetra handray anjara amin’ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023). Handray an-tanana izany ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Efa nahatonga ny anaran’ireo handrafitra ny ekipam-pirenena avokoa ireo federasiona voakasika amin’izany.
Tsiahivina fa 1 volana sy tapany mialoha ny fifaninanana ny rehetra. Mandra-pahatonga ity fampivondronana iraisana ity, efa samy nanomantena tany amin’ny nisy azy avy ny tsirairay, niampy ny fanampian’ireo teknisianina eo anivon’ny federasiona isanisany. Efa miditra an-tsehatra koa ireo minisitra “coach” manohana ireo atleta, hahazoana vokatra tsara dia ny handrombahana medaly volamena.
Ankoatra izay, efa manamboatra ny fotodrafitrasa ihany koa ireo tomponandraikitra. Anisan’ireo asiam-panamboarana ny kianja Makis ho an’ny rugby. Nikatona nanomboka omaly alatsinainy, ary hanomboka tsy ho ela ny fanatsarana toy ny “vestiaire”, ny efitrano fidiovana, ny bozaka filalaovana. Voakasik’izany koa ny kianja Alarobia. Efa nitsidika ireo toerana roa ireo ny filoham-pirenena sy ny ben’ny Tanànan’Antananarivo ny sabotsy 1 jolay lasa teo, ka nanome toromarika.
Tompondaka