Lomano -“Mondiaux” : manana solontena roa i Madagasikara

Hatao any Japana, ny 23 hatramin’ny 30 jolay izao, ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja lomano, 50 metatra. Solontena malagasy i Jonathan sy i Tendry.

Tsy diso anjara amin’ny fifaninanana goavana tanterahina any Japana i Madagasikara. Solontena roa no hiaro ny voninahi-pirenena mandritra ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, ho an’ny dobo filomanosana 50 metatra. Raharvel Jonathan Harivony, izay manaraka fio­fanana omen’ny Fédération internationale de natation (Fina), any Thaïlande, ny so­lon­tena malagasy voalohany. Ny lomano eo amin’ny sokajy 100m Brasse sy 100m Nage libre no hifaninanan’ity mpilomanon’ny Cosfa ity.
Solontena malagasy sokajy vehivavy kosa i Tendrinava­lona Idealy, laharana voalo­hany tamin’ny filaharana nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara farany teo, natao tany Toamasina. Eo amin’ny 50m Dos sy 100m Dos no hifaninan’i Tendry, mpilomanon’ny Cosra Antsi­rabe, mandritra ity fiadiana ny tompondaka eran-tany ity. Tsia­hivina, efa nandray anjara tamin’ny “Mondiaux” tany Mel­bourne Australie izy mia­na­dahy ireto, ny volana desambra 2022 teo. Nahavita nanatsara ny zava-bitany tsara indrindra miisa roa i Jonathan tamin’io fotoana io. Hanainga ny 18 jolay izao i Tendry miaraka amin’ny filohan’ny delegasiona mala­gasy, ny sekretera jeneralin’ny federasiona malagasin’ny lomano, Randriana­so­lo­ma­nana Ramy.
Hiara-dalana amin’izy ireo ny mpanolotsain’ny ligin’Ana­lamanga, i Emilien Tovoniaina, izay nahazo fiofanana avo lenta tany Suisse. Hihazo mi­vantana an’i Japana kosa i Jonathan.

Mi.Raz

Partager sur: