Mahanoro: nahazo milina hano­dinana mangahazo

Anisan’ny mampiroborobo ny toekaren’ny toerana iray ny fananany ozinina sy milina manodim-bokatra. Ny zoma teo, napetraka ao Mahanoro ny milina hanodinana ireo mangahazo any an-toerana. Hahazoana lafarinina 300kg sy tavolona mangahazo (fécule de manioc) hatramin’ny 250kg ary hanodina mangahazo 1t sy sasany isan’ora io milina io. Fantatra fa mahatratra 27 000 ka hatramin’ny 30 000t isan-taona ny vokatra mangahazo ao Mahanoro. Antony nahatonga ny fametrahana ity tetikasa ity entina hanatsarana ny fidiram-bolan’ny tantsaha mpamokatra. Atao koa izany hameloman’aina ny toekaren’ny tanàna. “Tsy lany hohanina moa ny mangahazo, vomanga, soanambo any Mahanoro. Na entina eny amin’ny bazary amidy mora aza dia tsy lany”, hoy ny Prefen’i Toamasina. Nanazava ny solombavambahoaka, Rakotoson Hubert, fa mamokatra mangahazo mandavan-taona i Mahanoro, betsaka koa ny mponina mamboly izany. Hamaha ny olan’ny tantsaha mpamokatra any amin’ny distrika sy isan-tanàna. Indrindra hisorohana ny fahasimban’ny vokatra sy hampitombo ny fidiram-bola ny lalantsaina momba ireo taninketsa indostrialy. Betsaka ny toerana sy distrika nametrahana ny tetikasa “one district, one factory”. Natao ireny mba hamelona indray ny famokarana sy ny fanodinam-bokatra, hisorohana ny fiankinan-doha amin’ny fanafarana vokatra avy any ivelany. Ary koa hampiroborobo ny fiainan’ny mponina. Tsiahivina fa ny herinandro teo, napetraka tao amin’ny distrikan’i Moramanga koa ny milina manodina akondro sy vomanga ho lasa chips. Napetraka ao Vatomandry kosa ny milina fanamboarana gilasy.

Henintsoa H.

Partager sur: