Mbola resabe hifandroritana mandrak’izao ny momba ilay zom-pirenen’ny filohan’ny Repoblika. Ny manahirana, mibirioka ny ady hevitra. Mivadika zava-dratsy, mirona any amin’ny fifankahalana lalina. Zary vontoatin-tserasera hoentina mifamono ankolaka na mivantana mihitsy. Na mpanohitra na mpanohana fitondrana mpamono afo, lasa mitady hirika hanapotehina olona fa tsy foto-kevitra na firehana politika. Mifanontsana amin’ny zava-betaveta sy tsy misy idiran’ny raharaham-pampandrosoana. Ady hevitra mirefarefa amin’ny tany. Mibirioka amin’ny foto-pisainana tena malagasy.
Hadino ilay hasin’ny firenena sy ny vahoaka ao aminy, izay mitady vahaolana amin’ny krizy mikiky ny andavanandrom-piainany. Indrisy, tafiditra anatin’ny vela-pandriky ny mpanao politika maloto hatramin’ny sarambabem-bahoaka anefa. Mahavalalanina ny zava-miseho, mbola kilalaon’ny vahiny mpampiady angely fotsiny Ramalagasy. Ny azo ambara, misy miketrika ny korontana faratampony eto amin’ilay Madagasikara. Fitadiavan’ olona na vondron’olom-bitsy tombontsoa manokana no ao ambadika. Ireny ilay saribakolim-bazaha, mpanao « eny tompoko, eny tompoko » fotsiny.
Amin’ny ankapobeny, marefo ny fiarahamonina misy ny Malagasy, ankehitriny. Mila mifoha ny olompirenena, mamerina ireo hasina nozimbazimbaina. Mila samy mitondra ny anjara birikiny, ho an’ny taninjanaka ny tsirairay. Tsy tokony hisy intsony ny manaiky lembenana amin’ ny loza mihatra eto amin’ny firenena. Tsy vitan’ny mahantra fa mbola voahosihosy ny zo fototra maha olona. Ny zava-doza, atosika any amin’ny fifampihantsiana mety hifamonoana ny Malagasy. Mila filaminana ny valalatsimandadiharona. Ataovy fady ny fitadiavana korontana miharo fifankahalan’ny samy Malagasy !
r.r