Nisy ny fihetsiketsehana nataon’ireo mpiasa sasany eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra tao amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, ny alatsinainy lasa teo. « Antony nahatonga ny fahataran’ny karaman’ny mpiasa ny fisedrana olana manoloana ny fampidiram-bola », hoy ny tale misahana ny mpiasa eo anivon’ny kaominina, Razafimandimby Rija Ethel Niaina. Nilaza izy fa mbola voaloa ara-dalàna hatrany ny karaman’ny mpiasan’ny kaominina na dia teo aza izany. Ankoatra izay, nahazo « prime » daholo ireo mpiasa mba hitsinjovana azy ireo nanoloana ny fety, tamin’ny volana jona lasa teo. Efa vita ny zoma lasa teo ny “virement bancaire” fa ezahina halefa amin’ity herinandro ity ny “bon de caisse”. Nomen-danja sy naverina ny hasin’ny mpiasa tsirairay tao anatin’ny efa-taona latsaka nitantanan’ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina, izany. Nisy hatrany ireo mpiasa nanohy ny asany nandritra ny fihetsiketsehana nataon’ireo mpiasa sasany ireo. Anton’izany, ny fahatsapan’izy ireo fa anisan’ny mampidi-bola sy mampandeha ny raharaha eo anivon’ny kaominina izany. Miezaka ny hanome fahafaham-po ny tsirairay hatrany ny kaominina, raha ny fanazavana.
Mino